4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kala - Lolo sy ny tariny

Tao an-tanàna
Nisy ankizy vavy manja   
Ratsy sakafo
Ka nisavika saranga   
   Nandramany ny haingo rehetra
   Nataony koa ireo rendrarendra
   Tsy zakan'ny loha
Mankaiza foana i Kala
Rehefa andro asabotsy
No tsy hita mba
Manao raharaha mihintsy   
   Izy hono ange ka mandeha mandihy
   Any antranon'ireo tsara fivelomana
   Be kilalao

Kala ô!
Raha toa ka faly ny any
Ny aty no mitomany
Raha vao ilaozanao a!
Kala ô!
Tsy fantatrao akory
F'i Dada tsy natory
Vao nahatafy ianao a!
   
Indray hariva
Tonga ny Soavaly vy e!
Avy mba haka an'i Rakala
Andeha handihy   
   Dia tonga teo ny lozanao
   Izy nianjera teny Ambohibao
   Ka maty teo

Kala ô!
Raha toa ka faly ny any
Ny aty no mitomany
Mbola misaona anao a!
    Kala ô!
    Olona faly ny any
    Fa toa mandatsa angamba
    Ny savika saranga

Partager kala

Commenter kala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite