4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo anilanao - PRINCIO

Rehefa eo an-tratranao aho dia ravoravo o

Falifaly mihirahira mivazovazo

Na mandreraka mamizana aza ny fiainana an-davanandro

Rehefa eo an-tratranao aho toa azoazo

Fa ny eo an-tratrananao dia maharavoravo

Tena maharavoravo



Rehefa lavitra anao aho toa mivarilavo

Goragoraka toa lozotra malazolazo

Tsy mahita andro mihiratra toa manjombona ts’isy masoandro

Rehefa lavitra anao aho dia mivarilavo

Fa ny eo an-tratrananao no maharavoravo

Tena maharavoravo





Ref.

Ka aza avela irery fa tsy mba manan-kery

Fa mora mikodia mora lavo o

Fa toa ny zazakely izay tsy mahasara-dreny

Ka mila omena nono isan’andro o

Satria dia zava-poana

raha fanoto ts’isy laona

Fa toa tsy lavorary mavomavo o

Ka mila anao foana

Ianao mandavan-taona

Hitondra izay anjara masoandro

Satria ianao ilay hany vatofantsika mafonja

Izay manohana ny foko tsy ho lavo

Ka raha ianao no tsy eo

dia hilentika angamba ny sambo

Ka n’inona n’inona miseho

Dia aza mihetsiketsika eo e





Rehefa tsy eo an-tratranao aho dia oriory e

Valavalaka toa maloka be sorisory e

Mifendrofendro isan-kalina vandravandra tsy mahita tory

Rehefa tsy eo antratranao aho toa oriory

Fa ny tsy eo antratranao toa manorisory

Tena marina izany

Rehefa eo antratranao aho dia ravoravo o

Falifaly mihirahira mivazovazo

Na mandreraka mamizana aza ny fiainana an-davanandro

Rehefa eo an-tratranao aho toa azoazo

Fa ny eo an-tratrananao dia maharavoravo

Tena maharavoravo



Ka aza avela irery ...



Rehefa eo an-tratranao aho dia ravoravo o ...

Partager eo anilanao

Commenter eo anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite