4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza ela any - AMBONDRONA

Efa miha madiva ho maizina ny andro
Efatra ora hariva ho avy izay ianao
Mientana ny fo
Aiza ihany ianao 'lay fanaperako
Tsy andry ny maraina niarenana nifoha

Ref:
Mirana ny saiko
Mijery anao ry aiko
Omenao 'lay fitsikinao nambabo ahy
Isan'andro zao toa manonofy anao
Mahavariana ahy ny hatsaranao
Mandrotika fanahy
F'aingana aza ela any
F'izaho efa miandry ho fihininao

Dify mihamilentika ilay masoandro
Njay ianao fa reko manokatra ny trano
Indro ary ianao hanoroka ahy amin'ny fo
Tsisy ny ho lazaina fa toa 'lay nofiko


Ref:
Mirana ny saiko
Mijery anao ry aiko
Omenao 'lay fitsikinao nambabo ahy
Isan'andro zao toa manonofy anao
Mahavariana ahy ny hatsaranao
Mandrotika fanahy
F'aingana az ela any
F'izaho efa miandry ho fihininao

Ny tananao manafosafo ahy no tsy foiko
Ny angolanao rehefa mitia ahy no hinoako
Eo an-tratranao manimanitra fitia toy kalo tena soa
Voatahiry ao am- poko ao

Partager aza ela any

Commenter aza ela any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBONDRONA

Suite