4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry - AINA

Miandry



Hafanana toa mahamay

No henoko ao anatiko ao , injao

Tsapako vao hanantona ahy ianao

( Mila hiantso vonjeo ny ao anatiko ao )

Henatra angamba sa tahotra

No mahatonga ahy toy izao

Hiahotra vahotra te-hiantoraka aminao

( Nefa tsy sahy manantona anao )



ref: Fa sadaikatra , menamenatra

       Miandry ny tananao ; Tolory handray ahy

       Miandry ny tananao ; Tolory hanaiky ahy

       Miandry ny tananao ; Tolory handray ahy

       Miandry ny tananao ;



F’aza manahy



Dia mibitaka tsy hay

Ilay foko sy fanahy , fa may

Milomay te-hamihina tsy sahy

( Mila tambitamby avy any aminao )

Henatra angamba sa tahotra

No mahatonga ahy toy izao

Hiahotra vahotra te-hiantoraka aminao

( Mila hiantso vonjeo ny anatiko ao )



  ref:



Ho anao , ny fo sy ny fitiavako d’efa lasanao

               Tena ho anao irery

Ho anao , tsy tiako afindra na atakalo fa dia ho anao

               Tena ho anao irery



Aina Cook

Partager miandry

Commenter miandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AINA

Suite