4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitsapana - Nantenaina

Rehefa fotoam-pialan-tsasatra moa

Dia maka rivotra ho’aho ry madama

Izaho irery ihany no hany tavela

Mijerijery ny tanana



Ny andro ririnina iaraha-mahala

Fa mamirifiry sy mamanala

Tonga ty satry ny fakam-panahy

Hizaha namana mba hanafana



Tsy nanahirana ahy velively

Ny hitady sipa na madimozely ô

Saingy angamba fitsapana

Fa tonga tampoka ho’aho i madama



Nidobodoboka mafy ny foko

Nivalaketraka nihanahana

madama anefa nidrinkina mafy

Sy nangataka fanazavana



Navadibadiko teo ny saiko

Nikaroka hevitra hialana bala

Ny fahendrena dia ny mangina

Mifona mivalo any aho ry malala



Tsy nanahirana ahy velively

Ny hitady sipa na madimozely ô

Saingy angamba fitsapana

Fa tonga tampoka ho’aho madama



Ry lehilahy tena maivan-doha

Na ny endrikao aza toa mankan-doa

Maharikoriko ny toetranao

Fa be rendrarendra sy lalao



Ny tokantranoko no anaovao

Hadalana tsy fanao

Mieritrereta ihany re

F’efa mba olon-dehibe



Raha ny alaheloko no amparina

Angamba izy tsy tafarina ô

Saingy aleoko mamela azy

Voninahitr’ilay mariazy

Fanajana ilay mariazy



Indray mitoraka ity aloha

Dia ampandeferiko ny hambom-po

Saingy raha misy ny faharoa

Dia ho vita hatreo koa ny antsika roa



Ry vehivavy izay mihaino

Ka mandre ity hira ity

Aza ilaozana ela ny vady

Raha tiana haharitra ho’aho ny fitia



Nyandro ririnina.....

Partager fitsapana

Commenter fitsapana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite