4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia tsy tafita - Nantenaina

Vinavinan tsika ny hanoron tokatrano
ho sambatra ho lasa paradisa
nefa ny Reninao re masiaka dia masiaka,mandrara ilay fiarahan -tsika.
Ilay volana tomaratra saika hibaliaka tandrifin-drahona dia tsy hita, ali-maizim-pito tsy misy hazavana
ririnina nilaozana hafanana.

Indraindray ny fiainana eto an-tany,
ranomaso lava sy tomany
tsy mba misy andro baliaka ,
fa raho-mainty foana re no hita.

Izaho sy ianao anie dia samy mahatsapa f'ilay Fitiavan-tsika latsa-paka
ny hanongotra an'izany hararirary ihany fara-fahoriana eto an-tany.

Isika mba nikasa ,isika mba naniry
ny hanan-tokano Paradisa.
ny lahatra sy anjara anefa
tsy voabaikontsika
hadinoy ilay Fitia tsy tafita.

Na samy Tia aza izahay ,
dia toa tsy anjaranay ,
ny hiara-dia ho doria e!
amin'ity fiainana ity

Raha mba fantatra mialoha mantsy
fa tsy ho tontosa izato vinavinan-tsika
dia angamba efa hatry ny ela ô!
raha vao niandoha monja,
dia nafoy ilay Fitia tsy tafita
Ankehitriny kosa anivon-drano lalina misedra onja mahamay
herivaikam-pitsapana
indrisy tsy azo ialana
ka rendrika ilay sambokelinay.

Any mantsy izy any
izaho aty te hitomany,
saingy ny elanelan-tany
no tsy ahitako azy androany.

NANTENAINA

Partager fitia tsy tafita

Commenter fitia tsy tafita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite