4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'zay ratranao no feriko - Eric Manana & Aina Quach

Zay ratranao de feriko,
Takaitranao no aretiko,
Ka n’inon’inona hanjo,
Zay lalanao no hizorako,
Antsana io na tevana
Tsy hampiova na hampiemotra
Fotsika mifangy miala to ka hatrary

Veloma lava rony sento tomany e,
Reo nofy ratsy tsy nanampy ny omaly e,
Tsy irery intsony aho manomboka androany e,
Sendra ny tiko aho sady tia ka tsy ho tana e,
Tsy hay vahana fa mifaningo-paka o,
Miantsa maraina ka tsy foiko ravana o,
Fitiavana io fa tsy mba tady mahazaka e,
Tsy vitan’ny hoe tapaho hatreo io de miala e,
O Sanatriiiiiiaaa.

Fitiavana no mamiko,
Fa tiko toy ny taniko
Vimbino tsara fa ho arovako
Raha sendra misy ny tsy to
Fitia tsy nangalarina
Ka ‘meo lalana izahay
Fa ela niaretana ka mba te ho sambatra.

Partager 'zay ratranao no feriko

Commenter 'zay ratranao no feriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Eric Manana & Aina Quach