4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any andro iray - Tovo Andrianandraina

Paroles et musique : Tovo Andrianandraina

interprété entre autres par SDF



Any andro iray

Izao tenako izao

Hangina tsy handre

Ka hitomany ianao

Any andro iray

Ny fo mifankatia

Hisaraka avokoa

Dia ho foana ny fitia



Ary any andro iray

Izao tontolo izao

Ho toro ka hisolo

Ho tany vaovao

Any andro iray

Satana sy ny sisa

Handositra avokoa

Hiseho ny paradisa

Hisaina ianao mba inona no atao

Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao



Any andro iray

Ho hitanao tokoa

Ireo razana hatrizay

Hitsangana hifoha

Ary any andro iray

Ny didy dia ho toha

Ka ho eo anatrehanao

Ilay endrika tsitoha

Hisaina ianao mba inona no atao

Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao


Partager any andro iray

Commenter any andro iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina