4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nankaiza i lala - Tovo Andrianandraina

Niandry anao aho (2)

Fa tsy nahita anao

Dia nanantena anao (2)

Fa mbola ho avy ianao

Miandry foana aho (2)

Tsy tonga mihintsy ianao

Ka dia ninia aho (2)

Nandeha nitady anao



Taiza ange ianao

No tsy tonga tao

Aiza moa ianao

Amin’izao ora izao



Nitady anao (2)

Tsy mbola hita ianao

Niandry anao aho (2)

Tsy hita hatrizao



Nandeha nijery aho (2)

Te ho eo ao an-tranonao

Saingy tsy sahy aho (2)

Fa sao bedy ianao

Nisiostsioka aho (2)

Lay hira iray fanao

Niandry foana aho (2)

Fa tsy nipoitra ianao



Taiza ange ianao

No tsy tonga tao

Aiza moa ianao

Amin’izao ora izao



Nankaiza I Lala? (2)

Sao sendra hitanao

Nankaiza I Lala? (2)

Sao sendrasendra ao

Toa tazatazako ao

Io eo anilanao

Partager nankaiza i lala

Commenter nankaiza i lala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina