4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Naleoko - Tovo Andrianandraina

Naleoko tsy nihaona

Raha toa himaona

Toy izao ianao

Fa naleoko tsy niteny

Raha toa ny "eny"

Dia nolavinao



fa naleoko dia nangiana

Raha toa ny tiana

Niova toa izao

Fa naleoko tsy nivoady

Raha toa ho ady

Sahala amin’izao



fa naleoko tsy nitory

Fitia akory

Raha tsy ho ahy ianao

Fa naleoko irery ihany

Raha hitomany

Fitia aminao



fa naleoko izao tsy nihaona isika

Raha ho toa izao ny fisarahantsika

Inay aho inay irery foana teny

Ka tsy nifandray, na niteniteny.

Partager naleoko

Commenter naleoko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina