4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Takariva diavolana - Tovo Andrianandraina

Ny volana nitranga

Ny kintana indreo

Ny lanitra iny manga

Marevaka izy ireo



Injany feon’ankizy

Fa re manako ao

Mibitaka ‘zay ts’izy

Mihira, milalao



Fa vetivety foana

Nangina avokoa

‘Lay vohitra toa moana

Sy resin-tory koa



Miandry ny maraina

Maraina vaovao

Ireo milamin-tsaina

Fa renoka dia ao



Mangina ny natiora

Kanefa kosa lahy

Fanahy iray mihira

Entanin’ny tsiahy

Partager takariva diavolana

Commenter takariva diavolana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina