4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Farakely - Tovo Andrianandraina

Rila ô ! rila ô

Manina an’i Farakely aho ’zany ho aho

Rila ô ! rila ô

Manina an’i Farakely aho ’zany ho aho

Tsy matiko lolo, tsy matiko lolo

Manina an’i Farakely aho ’zany ho aho

Tsy matiko lolo, tsy matiko lolo

Manina an’i Farakely aho ’zany ho aho



Vavy tokana i Farakely

Vavy tokana be mpaniry

Ny fijorony hafakely

Ny fitsikiny mahaliana

Volo lava sy tena ngaly

Bika tsotra maha te ho tia

Raha ’nareo no mahita azy

---

Rila ô !



Toa voahirana anaty rano

Ny fitiavan’i Farakely

Hirobohana lalin-daotra

Hilomanosana toa marivo

Be dia be no mitsiriritra

Fa ny rano tsy mety ritra

Raha mba misy aza sahisahy

---

Rila ô !



Eo ailan’ny tranonay

Eo ny tranon’i Farakely

’zay mandalo eo hatrizay

tsy maintsy miherika sy mijery

misy gina mitampimbava

ao koa ny mirediredy

nefa ireny rehetra ireny

----

Lahy ô !



Eraha ny tenako no lazaina

Dia taraiky amin’i Farakely

Izy anefa tsy hantenaina

Fa mahay mampifilafila

Raha anilany falifaly

Vao hilaozany manina azy

K’asa lahy izay hiafarany

---

Lahy ô !

Partager farakely

Commenter farakely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina