4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo ampisarahana - Tovo Andrianandraina

paroles et musique : Tovo Andrianandraina

Interprété entre autres par Silo.

disponible également sur l’album RIMO RIMO de Silo dans les arrangements de Silo.





Fa nifarana ny fialam-boly

Ka voatery hifandao izaho sy ianao

Nefa kosa ny any an-tsekoly

Tsy natao hanadinoko anao



Malahelo aho izao

Fa tsy misy azo atao

Toa tsy ho aiko ny tsy hahita anao

Malahelo ny fo

Fa atao ahoana moa

Antenaiko fa tia ahy ianao



Fa handao anao aho raha-maraina

Vohitsara no tanànako

Ny alaheloko anao tsy hay lazaina

Tiako ianao fa atao ahoana moa



Manantena aho f’indray andro any

Ho avy haka ahy aty ianao

Dia hisinda avokoa ny tomany

Ary ho aiko fa tia ahy ianao


Partager eo ampisarahana

Commenter eo ampisarahana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo Andrianandraina