4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Arahabaina - Tiana

Arahabaina ê !

Tratra ilay andro malaza

Arahabaina ê !

Faly izahay mankalaza

Fa ny anio, dia andro iray manan-daza

Ka bitsiho amin’ireo dimby sy fara



Tonga izahay mba hizara

Ny masaka ela niketrika

Tonga izahay mba

Hanentana anao hikorana ê !

Tonga izahay mba hizara hafaliana

Amin’ny asaramanitra

Koa arahabaina ny sombin’ny aina

Ny fianankaviana sy ny havan-tiana

Samy ao, ka tsy mandao



Arahabaina ê !

Tratry ny tsingerin-taona

Arahabaina ê !

Faly fa mbola mihaona

Miampy iray

Ny taona nahavelomanao ô !

Tonga izahay, tonga hanotrona anao ô !



Tonga izahay mba hizara

Ny masaka ela niketrika

Tonga izahay mba

Hanentana anao hikorana ê !

Tonga izahay mba hizara hafaliana

Amin’ny asaramanitra

Koa arahabaina ny sombin’ny aina

Ny fianankaviana sy ny havan-tiana

Samy ao, ka tsy mandao

Partager arahabaina

Commenter arahabaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tiana

Suite