4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina - Lalatiana

Alina indray… Alina mangatsiaka ny aty hatrizay.

Fa adino izany

Rehefa tamy ny nofy soa.



Alina indray… Mitamberina an-tsaina ny niainana teo :

Ny zava-bita, ny rehetra hita, ny feo



Io alina io, no hampandry ny fo

Ny hasasàrana ho adino

Satria efa mino fa rehefa hifoha,

Ho hery vao, aina soa no azonao

Ka na kivy ny saina, tsy andry ery ny maraina,

Maraina vaovao…



Dia lasa indray…

Toy ny omaly ny androany fa feno ny loha…    2

Lasa vinany, rahoviana ihany vao ho alina…



F’io alina io, no hampandry ny fo

Ny hasasàrana ho adino

Satria efa mino fa rehefa hifoha,

Ho hery vao, aina soa no azonao

Ka na kivy ny saina, tsy andry ery ny maraina,

Maraina … vaovao…



No irina, mba hanaovana izay tiana,

Mba hitondra hafaliana…

Hiandry ny alina

Alina…alina izao ny andro

Mody indray ny masoandro…

Alina… alina…

Partager alina

Commenter alina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite