4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao aho (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

(solo vavy)



Hita izao ny fitiavantsika

fa niova, niova nangatsiaka

Tsy nampoiziko fa hifarana ny hasambarana



            Ilay dina fahizay, mety hadino

            mety hadino hoy aho

            Lanjaiko irery ny tsiny

            Faniriana diso ny ahy iny

            Zary an-tendro-molotra avokoa

            ireo toky mamy taloha

            Avelao aho raha tsy tiana

            F\\’aza hampitomaniana

                      Là là là ........



Ny sisa tavela ato anaty

dia ho rariny, ho rariny ve

raha mirehitra tsy mbola maty valiana, fara hery



            Te hanatona aho fa ny foko

            Fa hampiseho fitiavako

            Kanefa ianao nanodi-doha

            Te handositra ny tavako,  ouh ouh  ouh

            Eny tsy valiana, tsy valiako ary

            ireo teny maharary

            Avelao aho raha tsy tiana fa aza ampitomaniana

                       Là là là .........



            

Partager avelao aho (bouboul

Commenter avelao aho (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)