4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiangonanay (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)

Mijoro an-tampon-kavoana

indro fa tazako indray

toerana tsy hay hadinoina

misy ny fiangonanay

          injay reko ao ihany

          ny lakolosy fahiny

          ny feony manako hatrany

          mandraka androany



(intermède musical + hum hum hum.....)



Tsiahy no indro tsy tana

hahatsiarovako ny fahazazana

fony izahay mbola kely

mihira ny andro noely

          mba aiza tokoa ary izao

          ireo ankizy niara-nilalao

          mirakitra zavatra ho ahy

          ny mijery ny fiangonanay



(intermède musical + hum hum hum.....)



Ny andro izay hifaliako

sy hitantanako ilay olon-tiako

tso-dranon’ny mariazinay

ao amin’ny fiangonanay

          raha tonga ny ora fodiako

          hangatahako, firariako

          hilanjana ny vatako indray

          handalo ny fiangonanay



(ding dong ding dong ........)


Partager ny fiangonanay (bouboul

Commenter ny fiangonanay (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)