4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andao indray hovangiana (bouboul - RAMBOATIANA Etienne)



Ando indray hovangiana

Ny fahiny mamintsika

Ilay toerana mangina

Natao, natao ho antsika



Ny hanadino tsy hohaiko

Ato am-poko tsy very

Tiako sy lalaiko

Satria antsika, antsika irery



Tsy nampaninona antsika akory

Ny fanala sy hatsiaka

Nanantena fa hanangoly

Ny tsirim-pitiavantsika



Ando indray hovangiana

Ny fahiny mamintsika

Ilay toerana mangina

Natao,natao ho antsika



Ny hanadino tsy hohaiko

Ato am-poko tsy very

Tiako sy lalaiko

Satria antsika, antsika irery



Sangisangy sy ny kalokalo

Tantara niaraha-nandre

Nampitodika ireo mpandalo

Moa tadidinao ve ?



Teo nanaovantsika dina

Ny voady sy toky mamy

Ka na sento na hafaliana

Niarahantsika hatrany



Raha iny tsy tafaray

Ny amiko sy anao

......

Partager andao indray hovangiana (bouboul

Commenter andao indray hovangiana (bouboul

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAMBOATIANA Etienne)