4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 3 mianaka - Mbolatiana

Fifaliana vaovao any anatiko

ny mahita anao indray

mirana toa izay

ary tena tsapako

fa noraisinao tokoa

ilay fitiavana kely

feno tantely



dia notohizanao

fo madio indray izao

ny fiarahantsika, na dia efa vita aza

raisiko ao ampoko ao

fanajana ho ahy sy ho anao

izay vitantsika

fa tsy kilalao



Tapitra, tsy hay lazaina fa eo ihany

miaraka mahatsiaro ny any ho any

tsisy intsony, ny nadiady, lonilony

samy tony, samy afaka ny fony



tiako ianao, ny fahalalako anao tsy niova

niha nandroso any, nanorona akany

eh jereo, efa telo ianareo

Ho tahian’ny Nahary dia, fitia be dia be.



Auteur / compositeur : SILO

Production : SANFIL

(Fanitsiana nataon’ny Sanfil)

Partager 3 mianaka

Commenter 3 mianaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mbolatiana