4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny herinao - Mbolatiana

Ny olako zay nandrakotra ahy

Novahanao,noravanao

Ireo hadalàna izay nameno ny fiainako

Navelanao,nofafanao

Fa lehibe tokoa raha ny fitiavanao

Lehibe ny herinao

Tsy ho takatry ny saina

Ray be fiantràna

Raha Ianao Tompo ô

                  

Fiverenana: Ka ny andro sisa iainanay

                      Dia hatokanay hiderana

                      Ny anaranao ry Ray

                      Ka ny dera sy ny laza

                      Voninahitra avo indrindra

                      No atolotray ho Anao ry Ray tsitoha

                      Noho izao rehetra izao



’Reo andro ratsy ,’reo tontolo toa maizina

Notsilovinao nohazavainao

Ireo lalan-dratsy izay tena nandreraka ahy

Notantaninao, notafianao hery

Fa lehibe tokoa raha ny fitiavanao

Lehibe ny herinao

Tsy ho takatry ny saina

Ray be fiantràna

Raha Ianao Tompo ô



Feony   :  Solofo Ranarivelo

Tonony : Nary (Zay)



Album "Ho anao" (1997)

Partager ny herinao

Commenter ny herinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mbolatiana