4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia roa - Mbolatiana

Mila mafy tsara ny ao an-doha

Mila toy izay koa ny ao am-po

Mamaky loha mahavaky fo

Raha ny olona iray no tia roa

Lasa misy areti-manjo

Tsy tokam-po , mizara roa

Hany ka fay fay rehefa voa



Misy ny tsy mba miafy koa

Avy dia miseho ho mazan-doha

Mitia ary, avy eo aty

Mamy mantsy ny atsy fy ny eroa

Tiana indray ho azo izy roa

Tsy tokam-po mizara roa

Sahisahy avy eo nefa voa



Maromaro ’reo variana milalao

Mifangaro ireo ditra natao

Tsy mahatsiaro ao an-tsaina ny manjo

Latsalatsa no azo rehefa voa



Tonony sy Feony : Solofo nomenjanahary

Partager tia roa

Commenter tia roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mbolatiana