4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay namanao - Rebika

Voaraiko ihany ny hafatra entin’ity namanao

Asa aloha raha tonga lafatra

F’indraindray hono tsy hitany ianao

Izy fahita matetika

Miresaka tsara tokoa

Tsikaritro teny ny tetika, efa nampoizina moa

Hay sitrany ny ho tompon-toerana

Fa nataony an-kolaka aloha.



Ref :

Na fihetsika na ny fiteniny

Matetika efa tsy voafehiny

Ny seza no hetsiketsehiny

Ny vatany aza mibolisatra

F’izaho no mihisatra

Ny foko no saika nikitoatoa

Ny saiko mandinika aloha



Izy tsy omena tsiny, ny fo anie be ny iriny

Nibaboka izy fa resy, somary mba diso adiresy

Tsy haiko hozaraina intsony, fa sao lahy

Maratra ny fony.



Malala o! toaviko hatrany

Fitiavanao tsy lany mamy

Mibosesika any an-tratrako any

F’aleo iny hangina fotsiny

Dia aza mba sarotiny

Ny tsara anie hono tsy ho lany

F’ianao hafa ihany.


Partager ilay namanao

Commenter ilay namanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite