4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fato maty - Rebika

Fotoana mamy tsy misy ohatr’izany

fa roa lasa iray

Hamakivaky ity fiainana an-tany

Ho mandrakizay

Ianao nofinidy ilay tokan’ny foko

Tsy misy hoe mibaiko

Avia manatona hosafosafoiko

Tiako sy tena lalaiko



Fa na tafiotra be na horohoron-tany

Raha ny fitiavan-tsika tsy ho ravan’izny

Vao maika ary hihamafy ilay fatotra teo

F’efa vonon-kanatrika izay hiseho



Tsy hay ambara fa henika loatra ny fifaliana

Ry Ray be fitia mankalaza misaotra fa tojo ny tiana

Zahay roa kely manatrika eto tsofy rano re

Ho ambinin-tsoa ho lavitra sento

Deraina ianao fa lehibe



Fato maty, mandra-maty

Partager fato maty

Commenter fato maty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite