4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza ianao malala - Rebika

Aiza ianao malala??





Inty aho malala reraky ny adin-tsaina

Fa toa mangaina an-tany maina ouh,ouh,ouh

Mikaroka hevitra isan’andro, manao izay ahafaly anao

Malala inona no hatao anao izao



Izaho mantsy akia malala tsy manam-bary iray venty

Izaho koa dia tsy an’asa tsy manambola

Fa satriko tokoa isika roa, hitety vazan-tany nefa indrisy

Ny hoenti-manana chérie tsy misy



Aiza ary ianao, ianao no ilaiko

Manina anao aho, miady ny saiko

Malala o, aza miala amiko ianao

Fa ianao no mba harenako

Aza ilaozanao chérie, modia



Inty aho, malala feno ratra fo, fanahy

Nefa hijoro fa lehilahy

Miezaka miady tsy kivy mba hiadananao

Malala, ahoana no hatao anao izao



Ny fonao tsy tiako hiova

Mahasaro-piaro na dia minitra monja

Tsy tantiko raha olon-kafa no hanjakazaka



Aiza ary ianao……..

Partager aiza ianao malala

Commenter aiza ianao malala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite