4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ngeza mankadiry - Rebika

Ny ranomasin’iny ataoko taratasy hanoratko anao,

Ny ranomaity kosa rà menamena avy ao ampoko ao;

Ny teny kely ho lazaiko manankery dia hoe ny fitia;

Ary ny horokoroka no fanekena soloiko sonia.



Iny habakabak’iny avadiko valopy asiako ladiresy;

Ny sarintsika roa no hampetako hajia fa io no tiako letsy Ao anatiny ao ny eritreritro mibaboka fa tia;

Tsy mila voatsiary na hoe rediredy ankory sanatry.

Ianao izao no toky ,kitro efa nifaharako aza homena lamosina re ny fitiavako ;

raha toa mitalao aza mba manafay fa ny aty efa hoatr’izay.

Ny ranomasin’iny ,iny habakabak’iny

Miara mitahiry ilay fitiavantsika ngeza makadiry(*2)

Ny boite postaly andefasako azy dia eny antananao ,

Tsy mila valiteny fa ny tena ilaiko dia ny tsikinao ,

Fa iny soratro iny alefako ho solotenako any,

ireo mpisary zoro na dia betsaka aza ianao mbola afa ihany Ny ady mbola ho maro izay ho hatrehantsika tsoriko avy hatrany;

Tsy mbola ampahafirin’ny mamy azotsika tsy misy fiafarany.

Fa raha hoe ianao no mivadika amin’izay nofy angamba izany,

Ny foko mbola ity hitempo ho anao mandrak’ androany. Vetson’ny manina ny ahy ka tsy sitrana raha tsy mody; Tongava malaky fa indry izao no fanafody;

Asanao re ry aiko raha mahavita mampijaly ; fa tsy nahatelikanina aho hatrin’ny omaly.

Ny lanitra sy tany ,hiririavantsika,

Ny voary manontolo atokako ho kianjan’ny hira sy mozika(*2) Oa oa oa;

Ianao no vonikazo!manitra fitia!tsy mety halazo;

Ny vazy nofidiko hametrahako azy dia ato ampoko ato;

Ny amiko rehetra no hanondrahako azy hiraraka tsy hiato. Izay tsy vita ety; any an-danitra hiarahana mamita!

Porofo manambara sy miarihary tsy misy iray mimpika!



Ny alaheloko tsy hitony raha tsy ho hita itsony ianao;

Ny saiko mitady hikomy raha mbola hitady vao.

Fa tokam-po tanteraka hanaten’iza indray, andalana ve ny ahy?

Ny lanitra sy tany hiririavantsiko;

Ny voary manontolo atokako ho kianjan’ny hira sy mozika Ny ranomasin’iny ,iny habakabak’iny !

Miara-mitahiry ilay fitiavantsika ngeza mankadiry.

Partager ngeza mankadiry

Commenter ngeza mankadiry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite