4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Complet - Rebika

Raha toa tsy afa-po tamin’ny vita rehetra hatrizay ianao

ka mihevitra indray ny hanorina lasy vaovao

Efa leo ny fahoriana sy ny tsy fananana.

Ka ndeha ho any lavitra any hitady fiadanana

Izay no hany mba takatry ny ati-dohako

Fa ny zava-katsahin’ny lohanao no tsy voako...

     Raha toa tsy tamana intsony ianao mandehana re

     Mahazoa ngahindriana mikapa sady micomplet

     Aza asiana eritreritra ny amiko fa tsy maninona

     Izay hahazoa ny fiainanao re banjinina o...



Mbola maivana sady tsy ampy angamba ny fisainako

Ny ahy irery aza moa tsy ho zaka, mainka fa ny antsika roa

Nefa ianao dia te hifaninanan tahaka ny olona

Ts’isy tsiny rahavako aleo aho hionona

Ts’isy nateraka hanana na natao hiangaran’ny ngidiny

Ny sasany manan-takaitra aza efa tsy fidiny.

     Aoka hatrehiko ho ahy samirery ny fiainako

     Fa ts’isy boka herintaona raha lehilahy koa

     Samy mandia tany k’aleo samy hijinja ny asany

     Miloloa lanitra tsimaintsy lena no anarany.



Miala tsiny raha toa ka tsizarizary ny fiainantsika

Azafady raha toa ka tsy tazana koa ny andro mibaliaka

Fa ny kintana tsy azo samborina na hofihinina

Andriamanitra no nanome f’izaho tsy nambinina

Soava dia mahereza akia mahazoa ary mazotoa

nefa tandremo ihany lahy ny manao kitoatoa

     Ny tody tsy netin’ny fo tsy misy anenenana

     Fa ny efa nandratra no fady raha iverenana

     Fantatro ianao fa fetsifetsy sy maranitra

     Ka isaorako anao be dia be ho tahin’Andriamanitra.

Partager complet

Commenter complet

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite