4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa tena tia - Rebika

Tsy andriko ny maraina hahitana anao
Na ny alina aza toa lany amin’ny fanembonana
Miraikitra ato an-doha ilay endrikao
Ny tsikitsiky malefaka, mampite-hanoroka.

Tsy haiku ny hangina
Te hiantsoantso ny anaranao
Be ny velom-panontaniana
F’ianao foana no ambavako ao.

Ref :
Tiako loatra ianao
Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Foiko ho anao daholo
Ny fiainako manontolo
Tsy rediredy sanatria fa tena tia.

Voahomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra nao.
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina, rehefa ianao no manoloana.

Partager fa tena tia

Commenter fa tena tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite