4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hankaiza intsony - Rebika



Satria ve metimety  indray ny fiainanao izao

Dia manitsaka ahy kely efa resy

Ianao miteroterona amin’ny zava-baovao

Ny ahy dia efa tonta, teo ihany no nasesy.



Ary ’lay fitiavanao toa  nifindra lasy

Niantoraka an-tratran’olon-kafa

Nipitrapitra teo ’ty fo nangasihasy

Hankaiza anefa moa fa dia mijafajafa.

          

                  Voadintsika taloha, fady izay hizara roa

                  Na mahantra na harena

                  Hadinonao ilay fanekena, nekena



        Fiv:

             Io volana io raha mba azoko nalaina

             Notakariko raha izay no mba tiany

             Angamba izy tsy nanitan-tsaina

             Raha nomeko izay rehetra niriny.



Ireo taona maro niriariavantsika

Nopotehanao nanaovanao ditra

An-kafa misy mamy ho tsetsafina

Tanana mitsotra manafosafo anao



Ny aty mipitrapitra manganohano

Mijery anao toa te hitomany

Ny hany teny kely mba sahiko ho tenenina

Ny aty maneninenina te hahitanao miverina



                      Voadintsika taloha ....



            Fiv : Io volana io ....



Hankaiza intsony ary aho...

Hankaiza  intsony ...

Ooo...



Heritiana (REBIKA)

Partager hankaiza intsony

Commenter hankaiza intsony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite