4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tena tia - Rebika

Tsy andriko ny maraina ahitana anao

na ny alina aza toa lany @ fanembonanao

miraikitra ato an-doha ilay endrikao

mitsikitsiky malefaka mampite-hanoroka

tsy haiko ny hangina,te hiantso mafy ny anarano

be ny velompanontaniana,ianao foana ao am-bavako ao

          TIAKO LOATRA IANAO

           TSY MAHAJERY OLON-KAFA INTSONY AHO

             LASANAO AVOKOA NY FITIAVAKO

              FOIKO ANAO DAHOLO

              NY FIAINAKO MANONTOLO

            TSY REDIREDY SANATRIA

            FA TENA TIA

Foana avokoa izay rehetra atao

na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao

indraindray aza toa miteniteny foana

na tsiky aza foronina rehefa ianao manoloana

ny foko mitempo tsy miato dia ianao tokoa nonambabo

lasanao tsy misy tavela ianao foana fa tsy hay fefena

ref : ...

Partager tena tia

Commenter tena tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite