4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramenamaso - MIARA

ny andro vao maraina,vao miarina ny loha

manitatra ny saina,mahatalanjona tokoa

dia miainga toa tsy taitra,na dia somary maika

hanenjika fotoana,hanala vazomboana

         ireo mponina an-tanàna,tsy atoro fa efa zatra

         fa ny azy efa ho lava,tsy mba misy izay mazava

         fa ny azy dia tantara,ts’isy henatra mandrara

         simbainy ny tontolo,ka potika daholo

ho aiza ny lalanao Rakoto ô!,sisiny ihany re aleha

haiko ny adiresinao, f’ilay "bar" ao ambadika ao

fa akaiky tsy lavitra,tsy mba saro-tadiavina

iny é! izy é!sondriana,mampiakatra vera tsy ankiato!

       ref: iny Ramenamaso,aiza i Ramenamaso

            migoka manaram-po,no sady midoroka

            aiza i Ramenamaso,iny Ramenamaso

            fa babon’ny "alcool" ny fo-ny!!



                                  tarika MIARA

Partager ramenamaso

Commenter ramenamaso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIARA