4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarobidy loatra ny fanahy - DIMBY MIARA-MIRINDRA

        

                 Sarobidy loatra ny fanahy



Sarobidy loatra ny fanahy

Tsy afoin’Andriamanitra ho very

Indro fa ny mpanota toa ahy

No navotany nefa tsy an-tery

Sarobidy amintsika ny aina

Tsy hatakalo fa mamy tokoa

Io no antsika no tena lalaina

Kolokoloina hatrany ho soa

Nefa nahafoy ny ainy kosa

Jesoa fitiavana ho antsika

Avotra tsy mba vitan-kanosa

No tsy efam-pitia mangatsiaka

Ny nalalaiko moa an’iza

Tsy ahy ny aiko fa an’i Jesoa

Koa hatolotra amonjena sakaiza

RAha toa ka ilaina tokoa

Koa atolotro hamonjena sakaiza

Io no fitiavana tsy mba lo



Dr ANDRIAMIADAMAHATRATRA Miharilaza

Partager sarobidy loatra ny fanahy

Commenter sarobidy loatra ny fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DIMBY MIARA-MIRINDRA