4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay tanana - MIARA

ilay tanana nahabe ’zay nilalaovana taloha

tsy ho hadinoko tsy atakaloko

na dia efa nialana aza mbola hiverenana

ka hataoko hira ilay tanànako

           eo atampon’ny havoana mora tazan-davitra

           tilikambom-piangonana avo bé!

           manakaiky vatolampy,ka izany indrindra mantsy

           no hanamafy orina ny akaniko

                ref: ilay tanànako,ilay tanànako

                tsaroako foana ,eny na aiza na aiza haleha

                fa ny lalanao raha mandeha miankandrefana

                ilay tanànako dia ho lalovanao

ilay tanana tsotra nefa miaina am-pilaminana

tsara rivotra sy tsara toerana

ireo vahiny izay mandalo aza toa tafapetraka

fa tsy manjaka ao ny hetraketraka

          ilay tanàna nipoiran’ny talenta ananako

          misy tsara misy kanto,misy soa,

          fa vao mitazana azy ianao ,dia velon-kira tsotra izao

          fa raha mandainga aho hoy ianao dia mba lazao

                ref:...

    

                               Tarika  MIARA

                        ( Tantely ANDRIAMIHAJA )

Partager ilay tanana

Commenter ilay tanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIARA