4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitopatopa - MIARA

dia mitopatopa ilay ranomasina

rivotra mitsoka ,maivana sy miadana

ka aleo handihy hifaly sy ho sambatra

amin-kafaliana no iarahana

         izy jejojejo sonenika fa mafana

         mampiseho ny bika sy ny endrika toa tsy tana

         dia atopatopa ny akanjo mba hanentana

         dia arangaranga ny endrik’entana !!!

dia misosasosa,mody mikorisa

fa nahoana kosa,mampitsiriritra

izay rehetra eny aminy tiako mba ho anjarako

dia ho atopatopako é! tena marina

         ref: dia midoladola mipelika ny tanana

              dia atopatopa ny "jupe" mba hiakatra

               hampiseha ’lay ranjo, dia manala akanjo

               fa mafanafana izao ny lanonana

dia mitosatosaka ka tandremo potraka

moramora ihany ianao sao dia miborotsaka

ngôdangôda ihany anie ity endri-javatra

ka mitopatopa mila hisokatra

              dia mitopatopa,izy jejojejo

              dia misosasosa,dia midoladola

              dia mitosatosaka mila hiborotsaka

              moramora ihany ianao sao misokatra

dia misosasosa........





                          Tarika MIARA

                    tantely ADRIAMIHAJA    

Partager mitopatopa

Commenter mitopatopa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIARA