4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maintsy mamoy - Les Adeline

Izay te-hanaraka ahy hoy ny Tompo

Tsy maintsy mandà ny tenany ka manompo

Miharitra zava-maro sy maharary

Mamery izay tena maminy eto an-tany



Tsarovy fa lalan-tsarotra sady tery

No holalovanao raha tsy te-ho very

Ny teny sy zava-maro hiaretanao

Dia ho hazo fijaliana holanjainao



Betsaka ireo olona izay maniry

Hivavaka sy hanompo an’i Jesoa Tompo

Kanefa ny fomba ratsiny tsy tiany ho ariana

Ny vavaka ataony anefa, tiany hovaliana



Na eo aza anefa, izany rehatra izany

Ny miharitra ho an’i Tompo ho vita ihany

Fa ny faharetanao, hatramin’ny farany

No ho vokatra hojinjainao any am-parany



Raha te-ho vonjena ianao, raha te-ho vonjena ianao

Dia tsy maintsy mamoy

Mamoy ny zava-drehetra,eo aminao

Mamoy koa ny filanin’ny nofonao

Ary mandao, ary mandao



Tsarovy fa lalan-tsarotra sady tery

No ho lalovanao, raha tsy te-ho very

Ny teny, sy zava-maro hiaretanao

Dia ho hazo fijaliana holanjainao

Partager tsy maintsy mamoy

Commenter tsy maintsy mamoy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Adeline