4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hifarana izao - Les Adeline



HIFARANA IZAO



Hifarana izao ny fiarahantsika teto

Hifarana indray.

Ka ny veloma hifanaovana dia ho mandram-pihaona

Fa tsy ho mandrakizay

Ny anio no hifarana fa ny finoako ato anaty

Eny faniriako hatrany

Dia ny hihaonantsika rehetra

Rehefa any an-danitra  any



Fantantro ny lalàna raha mbola eto an-tany

Fa tery sy mideza

Mety hisy fijaliana, ranomasom-pahoriana

Nefa hoy aho hoe mahereza

Tsy angano akory fa misy tena misy

Ilay Paradisa  vaovao

Nefa matokia hatrany e! tano ny finoana

Mahereza ianao



Veloma e!

Aza malahelo foana

Veloma e!

Tsy ho mandrakizay fa mandram-pihaona

Veloma e!

Manana finoana

Fa any an-danitra any isika rehetra izao

Tsy maintsy mbola hihaona.




Partager hifarana izao

Commenter hifarana izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Adeline