4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona no antenainao - Les Adeline

Inona no antenainao amin’izao fiainana izao

Hasambarana ve, sa fiadanana koa

Mandalo miserana izany

Matetika aza ny andronao feno alahelo, hakiviana

Very hevitra ianao

Ary indro antsoinao Rafahafatesana



Ity fiainana ity, tsy hitondra fiadanana ho anao

Raha ity fiainana ity, famoizam-po no entiny ho anao

Ity fiainana ity, ahiahy sy tahotra no atolony anao

Ity fianiana ity, fahoriana no hafany ho anao



Hevitra atoroko anao amin’izao taonanao izao

Tsy mety ny fiainana raha toa ka lavitra an’Andriamanitra

Jesosy maty hamonjy anao, ary hanasitrana anao

Raha toa ekenao izao anio izao Jesosy hanafaka anao



Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy

Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao

Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao

Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao





Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy

Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao

Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao

Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao





LES ADELINE

Partager inona no antenainao

Commenter inona no antenainao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Adeline