4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ataovy hirahira - Les Adeline

Raha hipaika ary ilay ora iray

Hiseho @ rahona Jeso

Handalo fitsarana ny olombelona tsirairay

Iza ary no mba hiaro anao?



Satria tsy misy takona

Fa voasoratra avokoa izay nataonao

Tsy  ho voakosoka, izay no hitsarana anao

Azo antoka ve fa ho afaka ianao?



       Fa raha tsy nandray an’i Jeso ianao

       Izy tsy hisolo vava anao

       Satria nataonao tsinontsinona izy

       Hanody anao ireo ratsy vitanao



Fa raha noraisinao ary i Jesosy

Kanefa nataonao an-kilabao

Nohitsahinao indray ny rà nalatsany

Narianao ny teny fikasany



Marina fa efa noekenao

Mba ho mpamonjy anao izy

Nefa taty aoriana, nihemotra ianao

Jesosy dia, hilaza aminao hoe:



        Tsy fantatro ianao, fa niala amiko

        T sy mendrika ny lanitra ianao

        Nanomboka ianao, fa tsy nahatanteraka

        Tsy misy toerana voaomana ho anao



Aza ariana re, izay nomenao

Fa sarobidy anie, ny famonjena

Ataovy hirahira isan’andro isan’andro

Mandram-pihavin’ny Kristy



lalalalallalalalalala, lalalalalalallalalalalalalala

Ataovy hirahira, isan’andro isan’andro

Mandram-pihavin’i Kristy

Partager ataovy hirahira

Commenter ataovy hirahira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Adeline