4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hisy raha hiseho mahagaga - Les Adeline

(Hisy raha hiseho mahagaga, ho avy tsy ho ela Jesosy Mpanjaka

Hitsimbadika ambony ambany ny tantara

Fa ho avy hamonjy ny olony Jesosy Mpanjaka.) x2



            IeJesosy Tompo Tompo dia nampanantena

F’izay rehetra mino Azy, no ho vonjena

Ny fahantrana iainantsika ho faranany

Ny fahoriana be mianjady ho foanany e.

    Ianao mitebiteby sy mitaintaina, efa sasatra miandry, mitaraina

    Mahereza, mahatanjaha, aoka hanantena, efa hidina ny Tompo,                  hitondra famonjena.



              Ie Ho foana ny adiady sy ny korontana, na ara-politika na ara-pinoana

Mirindra tsara ny fiaraha-monina, ireo mpifandrafy aza, indreo fa miombona e !

Ny tany handry fahalemana, rava ny adim-poko sy ny fitiavan-tena

Ny tsy fahamarinana, tsindry hazo lena, hotonga ny Tompo hanafaka ny firenena



Ny Tompontsika tsy manao ronono an-tavy,na sanatria kabary ambony vavahady

Jesosy Tompo tsy manao kobaka am-bava, na sanatria mpitari-bato vilam-bava

Andriamanitra tsy mba olona ka handainga

Na sanatria zank’olombelona Izy ka hanenina

Rehefa niteny Izy di ahefainy, ary rehefa nilaza Izy dia hotoaviny

Moa ka tsy izany va, marina izany !!!

Partager hisy raha hiseho mahagaga

Commenter hisy raha hiseho mahagaga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les Adeline