4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ranomaso no hanafaka - Thiera BRUNO

Tsy ranomaso no hanafaka

Ity endrikao malahelo

Na hamoizana izao tontolo izao

Noho ilay olona nandao



Marina fa nitia ianao

Nandao ireo hava-tiana

Fantatro fa tsy kilalao

Ireo voady izay nekena fahiny



Nahoana raha tsiky no andravaka

Ity endrikao malahelo

Hirahira sy kalo ...

Ireo fahasambarana taloha



Na izy aza minia manadino

Tsy mahatsiaro ity akany

Toy ny tsipolitra manara-damba

Miantsampy amin’olo-mandalo

Partager tsy ranomaso no hanafaka

Commenter tsy ranomaso no hanafaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO