4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ralala - Thiera BRUNO

Raha mbola tianao ihany aho ralala o!

Dia aza idongina fa mijaly e!

Mahita ny endrikao vinitra toy izao

Ady efa vita ve ralala o!

No anaovanao andolopo e!

Tsy mety anie izany fa mihevera ihany

Lala o! Lala o!

Hum!



Raha misy alahelo re ralala o!

Tsy tokony hifamela ve isika e!

Hamerina indray lay hazavana hatrizay

Lalao mbola ho ela anie ralala o!

Ny andro iainantsika ety e!

Ka dia ho fenoina hasosorana ve

Lala o! Lala o!

Hum!



Raha toa tsy sitrakao anie ralala o!

Ny fihetsika miadalala e!

Dia tsy ataoko intsony tsy ampalonilony

Fa ny fitsikinao anie ralala o!

No mapazotozoto ahy miasa  e!

Hameno harena ato an-tranontsika

Lala o! Lala o!

Hum!

Partager ralala

Commenter ralala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO