4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ity hirako ity - Thiera BRUNO

Ity hirako ity dia atolotro Anao,

Hatsiarovanao ny anarako

Raha ho lasa any ianao ka ho lavitra ahy,

Veloma mandrapihaona.

Aza adino lalan-dava fa mpinamana isika,

Tsy mba nifankafoy tely.

Mpizara alahelo, mpizara hafaliana

Izaho sy lanao, hatramin’izao.



Very namana aho nilaozanao

Ka iza indray izao no antenaiko

Hilazako ny manahirana ahy

Hisolo ny toeranao.



Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana

No hampisy ny fanadinoana,

Fa sento tokana monja ary tsiahy iray minitra

Dia ampy hampiray antsika

Koa raha manina ianao, ka  te-hanoratra

Ny aty tsy miova adiresy

Tsy miova fanahy, tsy miova fitia

Fa miandry Anao.

Partager ity hirako ity

Commenter ity hirako ity

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO