4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ravoromanidina - Thiera Bruno

Ravoromanidina

Tsy mamafy anefa dia mijinja
Mahita ny ho hanina rehefa noana
Rehefa leo ny eto dia mifindra
Dia toy izany foana isan-taona(X2)

REF(X2)
Ravoromanidina irony e
Raha mba manana elatra aho
Dia mikopakopaka ohatr’ izany
Ambony mijery ambany


Tsy manjaitra anefa tsara akanjo
Mianjaika mihoatra ireo mpanjaka
Hiomehezanao fotsiny ny lambo
Fa trano feno fotaka ny lapa(X2)

REF(X2)

Tsy mamafy anefa dia mijinja
Mahita ny ho hanina rehefa noana
Rehefa leon'ny eto dia mifindra
Dia toy izany foana isan-taona


Tsy manjaitra anefa tsara akanjo
Mianjaika mihoatra ireo mpanjaka
Hiomehezanao fotsiny ny lambo
Fa trano feno fotaka ny lapa

REF(X4)

Partager ravoromanidina

Commenter ravoromanidina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera Bruno