4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy ratsy - Thiera BRUNO

Aiza ireo teny mamy fahiny

Nahoana no mangina ireo molotrao

Saingy tiana ve ka mampijaly

Sa tsy natao ho ahy lanao ...



Ho aiko ve ny hanadino irony lasantsika

Ka vetso sy tsiahy no hany mitanisa.

Ireo fahasambarana niainana taloha ...

Ankehitriny, nirodana avokoa.



Aiza ireo teny mamy fahiny

Nahoana no mangina ireo molotrao

Saingy tiana ve ka mampijaly

Sa tsy natao ho ahy lanao ...



Zary nenina ato an-tsaiko ny orokoroka natao,

Niserana kanefa nandrotika ny foko

Ataoko ahoana re no filaza ny fijaliako

Nilaozanao ho Irery toy izao.



Aiza ireo teny mamy…

Partager nofy ratsy

Commenter nofy ratsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO