4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsipolitra - Thiera BRUNO

Tsy ranomaso no hanafaka

Ny fahoriana ao anatinao

Na famoizana izao tontolo izao

Noho ilay olona nandao



Marina fa nitia ianao ô

Mandao ireo havatiana

Fantany fa tsy kilalao ô

Ny voady izay nekena fahiny



Nahoana raha tsiky no handravaka

Ity endrikao malahelo

Hirahira isika roa mitahiry

Ireo fahasambarana taloha

Ka izy aza minia manadino

Tsy mahatsiaro ity ankany

Toy ny tsipolitra manara-damba

Miantsampy amin’ny olona mandalo

Partager tsipolitra

Commenter tsipolitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Thiera BRUNO