4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho no mbola tia - Marion

Ireo ranomaso latsaka,
Nandaozanao indray ny akany
Any andro angamba mbola hisava;
Ny hoavy toa tsy fantatra,
Nanjary toa ankamantatra
Hanjombona sa mbola hazava?

Bridge: Hany azo atao, hanopy indray iny masoandro
Ny foko iny mba tia eny izao indray no nilaozana
Eny mbola ho tsapanao any taona, any volana , any andro
Izany hoe hatao hoe tia, mandehana ary fa efa izay no sitrakao

Réf:Izaho no mbola tia, satriko hanadino, ireny andro paradisa
Eny moa hataoko ahoana?
Mitamberina ireny lasantsika
Toa ny hirifiry no hiainako hatrizao zary nangina
Eny moa hataoko ahoana?

Irery tokoa moa izaho aty
Mandamina ny fiainako mangina
F'iza tokoa moa no homena tsiny?
Tiako ho tsapanao ry ilay tokana iny
Fa ela vao misava ny mangidy
Tsy manahy fa vitako ihany ny aty

Bridge: Hany azo atao, hanopy indray iny masoandro....

Ref:Izaho no mbola tia......

C: Fa iny ny vitanao iny, anefa dia aza hadino
Tsy moramora ny mety ho valiny any andro eny fa asanao
Fa ianao koa mbola ho tia, ho tia dia tena tia
Nefa asa izy any raha haharitra, hahavita hiaritra ny vitanao iny...

Réf: Izaho no mbola tia......

Partager izaho no mbola tia

Commenter izaho no mbola tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite