4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fotoana mamy - Marion

Manontany aho fa n’fonao angamba efa leo

Mangina tsy nahitana feo f’izao ity no toa miteny irery

Mampanahy ahy ihany izay zavatra miseho

Mivadika tsy toy ny hatrizay ilay fihetsika mba nasehonao ahy

Manontany tena aho hoe nahoana?

F’isan’andro ianao mba nitsiky teny foana

Ka lazao re aho raha mba sitrakao androany

Fa raha ny ao anatiko ao

Mangetaheta aho miandry hatrany



Ianao irery no mbola tiako dia efa ampy ahy

Ireo adalana efa nariako hanampy anay

Fa fotoana mamy nifampizarana hatrizay

Angamba tsy hodianao tsy ho hay

Ny marina nafoiko omeko anao

Izao rehetra izao raha azoko mba natao

Ianao irery no mbola tiako dia efa ampy ahy

Tsy izao re no handidy raha lasa enao re dia andao fa tsy manahy



Tsisy teny na hoe entiko andresen-dahatra anao

Tsofiko rano raha nahita vaovao ( ianao no tiako anefa akory atao)

Ekeko fa tia aho anefa atao ahoana

Fitiavana tsy atao an-tery

Omeko hafa rehefa tsy ho ahy irery

Rediredy ny ahy, anefa aza atao mampanahy

Fa tena lasa miahiahy, tsy omenao tsiny raha toa mitalaho



Ankehitriny aho lasa tena tia anao

Ankehitriny aho mangaina sy mitalaho



Ianao irery....



Fa mbola ahy ihany, ahy irery dia tonga aho hitomany

Ianao irery ihany angamba no afaka hiteny

Ilay amponao tsy milaoka, nofihininao irery

Ka raha azonao hatao dia aza avela

Fa ny aty efa niandry efa hatry ny ela

Mba niezaka namantatra aho toa very

Ny asehon’ny masonao tsy milaza ny dikan’ny ao amponao velively



Ianao irery....

Partager fotoana mamy

Commenter fotoana mamy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite