4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina mangina - Marion

Alina mamirifiry toa mangatsiaka ny aty

Alina tena mangina mahatsiaro anao mbola tia



Misy fotoana te  hiantso aho

Hiantso ny anaranao

Nefa injay toa miseho

Ilay endrikao tena tia



Rahoviana indray vao mba hihaona

Rahoviana ianao vao mba ho avy

’Zaho aty sasatra foana

Sasatra miandriandry anao



Rehefa tonga any ianao

Dia manorata aty

Lazao fa tsy manadino

’zany na lavitra aty



Misy fotoana te  hiantso aho

Hiantso ny anaranao

Nefa injay toa miseho

Ilay endrikao tena tia  



Rahoviana indray...



Na mbola ho ela aza izany

Hahitako anao eto indray

’Zao ’aty dia manantena

Fa tsisyvery ilay fitia



Fitiavana iray ho anao sy ho ahy

No efa nomaniko anao

Fitiavana iray  mandrakizay

No efa nomaniko an-dry



Rahoviana indray...



                    YVES  MARION

Partager alina mangina

Commenter alina mangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite