4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anilanao - Marion

Na, na, na, yeah, yeah



Nataoko ihany angamba ny azo atao

Hoentiko hanadinoana anao

’Reo fahatsiarovana nisy taloha navaloko



Nitady olon-kafa ’zaho nasolo anao

Nefa tsy haiko ihany

Mbola tianao foana aho, mbola miandry anao

Ka tsy haiko ny atao.



Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy

Ny anilanao no mba nahitako hafanana

Ka aleo hifona aho, tia anao hihanta eo anilanao

Na ny andro manjombona mamirifiry  

Hamiratra foana izy na nampangatsiaka

Fa teo foana ianao, tonga aho hitalaho

Hoe aza mandao



Hatramin’izay tsy nahateo anao toa alahelo foana

Nanjary hakiviana feno fahoriana ny fiainako

Mila anao foana aho, miandry anao, aza ariana



Ka mba mitalaho, raha azo atao

Mba ho eo...



Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy

Ny anilanao no mba nahitako hafanana

Ka aleo hifona aho, tia anao hihanta eo anilanao

Na ny andro manjombona mamirifiry  

Hamiratra foana izy na nampangatsiaka

Fa teo foana ianao, tonga aho hitalaho

Hoe aza mandao



Mbola miandry anao foana aho

Miandry anao ny toeranao

Koa mba lazao izay sitrakao na holavinao



Efa nifantena izaho sy ianao

Nifanaraka tsy hisy hifandao

Aza avelanao irery foana aho

Aza dia avelanao hisento aho

Fa te mba ho namanao  



Anilanao ihany...

Partager anilanao

Commenter anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite