4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina magina ... - Marion

Alina mamirifiry toa mangatsiaka ny aty
Alina tena mangina mahatsiaro anao mbola tia

Misy fotoana te hiantso aho
Hiantso ny anaranao
Nefa injay toa miseho
Ilay endrikao tena tia

Rahoviana indray vao mba hihaona
Rahoviana ianao vao mba ho avy
Izaho aty sasatra foana
Sasatra miandriandry anao

Rehefa tonga any ianao
Dia manorata aty
Lazao fa tsy manadino
Izany na lavitra aty

Misy fotoana te hiantso aho
Hiantso ny anaranao
Nefa injay toa miseho
Ilay endrikao tena tia

Rahoviana indray ...

Na mbola ho ela aza izany
Hahitako anao eto indray
'Zaho aty dia manantena
Fa tsy very ilay fitia

Fitiavana iray ho anao sy ho ahy
No efa nomaniko anao
Fitiavana iray mandrakizay
No efa nomaniko ho an-dry

Rahoviana indray ...

Partager alina magina ...

Commenter alina magina ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite