4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saingy tiana - Rebika

Raha mba naniry ny hiaraka aminao aho

Nolavinao toa tsy tiana e

Raha niangavy ny ho eo anilanao

Natosikao sy nariana e.



          Niandry masoandro eny atsinana aho

          Hitondra hafaliana ho ahy

          Sendra ny volana somambisamby

          Vao mainka nandratra fanahy.



Fiv:

Tia aho, tia aho,eny tia anao

aza ariana e, aza ariana e

Mbola miandry anao.



’Lay taratasy tsisy valiny

Nodorana sa natao aiza e

Ilay fitiavana natao an-kilabao

Niandrandra anao hatrizay e.



          Anisan’ny mba tena tiana ianao

          Dia nahavita izao

          Tsy sasatra aho ny mba miangavy aminao

          Tsy sasatry ny miantsoantso anao.



Fiv:

Tia aho, tia aho,eny tianao

aza ariana e, aza ariana e

Mbola miandry anao.




Partager saingy tiana

Commenter saingy tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite